Mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny kakazo fijaliana
2
Ô raôlona! Rehefa nandeha taigny aminareo izaho dia tsy tonga tamin’ny fahaizana mandaha-teny na fahendrena rehefa nitory taminareo ny tsiambaratelon’Andriamagnitra. 2 Fa nikineko ny tsy hahay raha hafa taminareo, afa-tsy i Jesoa Kristy sy ny namantsihana Ananjy tamina kakazo fijaliana. 3 Ary raha taigny aminareo izaho dia navozo sy nahatahotra ary nangovitra. 4 Ny fampianarako sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena nampiaiky, fa tamin’ny fisehovan’ny fagnahy sy ny hery, 5 mbôry izay ny finoanareo tsy hiorina amin’ny fahendren’ôlona, fa amin’ny herin’Andriamagnitra.Ny fahendren’Andriamagnitra
6 Kanefa, magnambara ny fahendrena amin’ôlona efa matotra izahay; tsy ny fahendren’izao tontolo izao, na ny fahendren’ny mpitondra an’izao tontolo izao izay andalam-panjavognana. 7 Fa mitarea ny fahendren’ny tsiambaratelon’Andriamagnitra izay misitrika izahay; izay voatendrin’Andriamagnitra ho voninahitsikany talôhan’ny nahariana an’izao tontolo izao. 8 Ary tsisy nahafantatra an’izany ny mpitondra an’izao tontolo izao, fa raha nahafantatra an’izany zareo, dia tsy nofantsihanjareo tamin’ny kakazo fijaliana ny Tômpon’ny voninahitra. 9 Izao mbôka no voasoratra:
“Izay mbôla tsy ary hitan’ny maso,
sady mbôla tsy ary regnin’ny sofigna,
mbôla tsy ary noeritreretin’ny ôlona
no efa nomagnin’Andriamagnitra ho an’izay tia Ananjy” (Isa 64.3).
10 Fa tamin’ny Fagnahy no nampahafantaran’Andriamagnitra an’izany raha izany tamintsika; ny Fagnahy mbôka mahay ny raha dahôlo, na dia ny raha saro-pantarina amin’Andriamagnitra aza. 11 Tsisy ôlona mahay ny raha agnatin’ny fon’ny ôlona, afa-tsy ny fagnahin’ilay ôlona agnatiny akao ihany. Dia sahala amin'izany koa, tsisy mahay ny agnaty fon’Andriamagnitra afa-tsy ny Fagnahin’Andriamagnitra foagnany. 12 Kanefa atsika tsy nandray ny fagnahin’izao tontolo izao, fa ny Fagnahy avy tamin’Andriamagnitra, mbô ho haintsika ny raha namen’Andriamagnitra antsika tamin’ny fahasoavana. 13 Dia izany koa ny fagnambaranay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’ôlona, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fagnahy rehefa milaza ny momba ny raha ara-pagnahy amin’izay ôlona araka ny Fagnahy izahay. 14 Fa ny ôlona tsy managna ny Fagnahy kosany dia tsy magnaiky izay raha avy amin’ny fagnahin’Andriamagnitra; fa hafokana mbôka izany aminanjy sady tsy vitany ny mamantatra an’izany satria ny Fagnahy irerika ihany no afaka mitsara an’izany raha izany. 15 Fa ny ôlona managna ny Fagnahy kosany dia afaka mitsara ny raha dahôlo kanefa izy tsy afaka tsarain’ôlona.
16 “Tsisy ôlona mahay ny raha agnatin’ny saignan’ny Tômpo
ka afaka hampianatra Ananjy” (Isa 40.13).
Fa atsika indray, managna ny saignan’i Kristy.