Fagnanaovam-beloma manokana
16
Ampahafantariko anareo fa i Foiby anabavintsika igny dia diakona aigny amin’ny fiangonana Kenkrea, 2 mbô raiso amin’ny agnaran’ny Tômpo izy sahala amin’ny fandraisana ôlona masina iregny, ary mbô ampio izy rehefa misy raha ilaivany anareo satria nagnampy ôlona betsaka mbôka izy ary nagnampy anahy koa.
3 Veloma aigny amin’i Prisila sy i Akoila, mpiara-miasa aminahy amin’ny fanompoana an’i Kristy Jesoa. 4 Zareo ireo dia nagnano sorogna ny aignanjareo mbô hamonjena ny aignako; kanefa tsy izaho irerika foagnany no misaotra anjareo fa hatramin’ny fiangonana dahôlo aigny amin’ny Jentilisa. 5 Veloma koa amin’ny mpiara-miangona an-dragnonjareo akao. Veloma aigny amin’i Epaineto namako, ilay ôlona voalohany nino an’i Kristy tamin’ny faritanin’ny Azia. 6 Veloma amin’i Maria, izay tegna niasa mafy ho anareo. 7 Veloma aigny amin’i Androniko sy Jonia izay mpiray fihaviana aminahy sady niara-nigadra taminahy, Apostoly nanagna ny hajany zareo ireo ary kristiana talôhako koa. 8 Veloma aigny amin’i Ampliato, namako amin’ny Tômpo. 9 Veloma aigny amin’i Orbano izay mpiara-miasa amintsika amin’ny fanompoana Kristy, sy i Staky namako. 10 Veloma aigny amin’i Apela, ilay efa voatsapa fagnahy amin’i Kristy. Veloma aigny amin’ny fianakavian’i Aristobolo. 11 Veloma aigny amin’i Herodiona mpiray fihaviana aminahy. Veloma aigny amin’ny fianakavian’i Narkisa, izay mino ny Tômpo. 12 Veloma aigny amin’i Tryfena sy Tryfosa, izay niasa mafy tamin’ny fanompoana ny Tômpo. Veloma aigny amin’i Persy namako, izay tegna niasa mafy tamin’ny fanompoana ny Tômpo. 13 Veloma aigny amin’i Rofosy, ilay voafidy amin’ny Tômpo, dia veloma koa aigny amin’ny nininy izay sady niniko. 14 Veloma aigny amin’i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Hermasy mbaraky rahalahy izay miaraka aminanjy akao. 15 Veloma aigny amin’i Filologo sy Jolia, Nerea mbaraky ny anabaviny sy Olympa ary ny vahoakan’Andriamagnitra dahôlo miaraka aminjareo akao. 16 Mifagnanaova veloma amin’ny fagnorohana masina. Magnano veloma anareo ny fiangonana dahôlo amin’i Kristy.
Fampitandremana farany
17 Magnanatra anareo izaho, ry rahalahy, mitandrema tsara an’izay ôlona mampatonga fisaratsarahana sy magname lôha ratsy anareo izay manohitra ny fampianarana azonareo; mialà lavitra an’iregny ôlona iregny. 18 Ny ôlona ôhatran’iregny dia tsy mbô manompo an’i Kristy Tômpontsika, fa ny kibony foagnany no fantany, magnano teny tsara lahatra sady mahay mandangolango entiny mamitaka saignan’ny ôlona mora fitahina. 19 Fa efa fantatr’ôlona dahôlo ny lazan’ny fankatôvanareo. Ary faly izaho noho ny aminareo satria tiako ho hendry amin’izay raha tsara ianareo, ary tsy hifangaro amin’izay raha ratsy. 20 Andriamagnitry ny fiadanana mbôka hanorotoro malaky an’i Satana akeo ambanin’ny tongotrareo.
Enga anie ho aminareo ny fahasoavan’i Jesoa Tômpontsika.
21 Veloma ianareo hozy Timoty, mpiara-miasa aminahy, Losio sy Jasona mbaraky Sosipatro havanay. 22 Izaho Tertio, izay manoratra ity taratasy ity, dia magnano veloma anareo satria tafiraika amin’ny Tômpo atsika. 23 Magnano veloma anareo i Gaio, ilay ipetrahako ary an-dragnony akao no mivory ny fiangonana dahôlo. Magnano veloma anareo i Erasto, mpikajy volam-panjakana aketo an-tanàna mbaraky Koarto rahalahintsika. 24 [Enga anie ho aminareo dahôlo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tômpontsika. Amena!]
25 Enga anie ho an’Andriamagnitra ny voninahitra. Izy mbôka Ilay mahay mampahery anareo amin’ny finoana, mifagnaraka amin’ny Tarea Maharavo izay toriako mikasika an’i Jesoa Kristy, araka ny fahalalana noraisintsika momba ny lamina nasitrika letry ny ela be. 26 Fa amin’izao dia efa nabaribary izany lamina izany tamin’ny soratr’ireo mpagnazary, araka ny didin’Ilay Andriamagnitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenena dahôlo mbôry izay zareo hino sy hagneky. 27 Enga anie ho an’Andriamagnitra irerika izay manam-pahendrena ny voninahitra mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amena!