Magnano izay hahafaly ny hafa fa tsy ny an’ny tegna
15
Adidintsika izay matanjaka ny magnampy ny osaosa mitondra ny fahalemeny fa tsy hikaraka izay raha mahafinaritra atsika foagnany. 2 Tokony ataontsika tsiraikaraika izay raha azoazon’ny namantsika mbô hampatsara ananjy sy hitomboany amin’ny finoana. 3 Kristy mbôka tsy nagnano izay raha azoazony, fa araka ny voasoratra hoe: “Nifatratra tatỳ aminahy ny latsa nataon’ireo izay nandatsa Anao” (Sal 69. 9). 4 Fa ny raha dahôlo voasoratra agnatin’ny Soratra Masina dia nosoratana talôha be taigny mbô hampianarana atsika mbôry izay atsika hahavita hitôzo sy hahazo fiononana avy amin’ny Soratra Masina izay hitondra fagnantegnana ho antsika. 5 Enga anie Andriamagnitry ny faharetana mbaraky fiononana hampifagnaraka tsara anareo amin’ny fagnarahana ny raha nataon’i Jesoa Kristy, 6 mbô hiray lôha sy feo ianareo rehefa mankalaza an’Andriamagnitra, Dadain’i Jesoa Kristy Tômpontsika.
Gaognan’ôlona dahôlo Kristy
7 Mahaiza mifandray ianareo sahala amin’ny nandraisan’i Kristy anareo mbô ho voninahitr’Andriamagnitra. 8 Taraviko aminareo fa nanjary gaognan’ny Jiosy i Kristy mbô hahatanteraka ny fampagnantegnana nataon’Andriamagnitra tamin’ny razagna ary mbô hagnaporofoana fa marina Andriamagnitra, 9 mbôry izay hankalaza an’Andriamagnitra koa ny Jentilisa noho ny famindrampony, araka ny voasoratra hoe:
“Araka izany, hidera Anao aigny amin’ny Jentilisa izaho
sy hirahiraiko ny Agnaranao” (Sal 18. 49).
10 Dia Hozy koa:
“Miaraha mifalifaly miaraka amin’ny vahoakan’Andriamagnitra
ianareo Jentilisa” (Deo 32. 43).
11 Ary koa:
“Ianareo Jentilisa dahôlo, derao ny Tômpo,
ary ianareo firenena dahôlo mankalazà Ananjy” (Sal 117. 1).
12 Hozy koa Isaia:
“Ho avy ny taranak’i Jese,
Ilay hitsangana hitarika ny Jentilisa,
Izy no antegnain’ny Jentilisa” (Isa 11. 10).
13 Enga anie Andriamagnitry ny fagnantegnana mbô hahampoka fifaliana sy fiadanana ho anareo noho ny finoanareo, mbôry izay ianareo ho feno ny fagnantegnana avy amin’ny herin’ny Fagnahy Masina!
Ny fagnompoan’i Paoly akeo amin’ny tsy Jiosy
14 Azoko antoka raôlona fa ianareo dia feno fahatsorana sady mahafantatra tsara ny raha dahôlo tokony ho fantatra mahakasika ny finoana ary mahay mifanoro. 15 Kanefa nahasahy nanoratra raha vitsivitsy ho anareo agnatin’ity taratasy ity izaho mbô ho fampatsiahivana anareo an’izay raha efa fantatrareo, noho ny fahasoavana namen’Andriamagnitra anahy. 16 Nataony gaognan’i Jesoa Kristy ho an’ny Jentilisa mbôka izaho. Magnano ny fanompoan’ny mpisorogna izaho amin’ny fitoriana ny Tarea Maharavon’Andriamagnitra amin’ny Jentilisa, mbôry izay zareo ireo ho fagnatitra ankasitrahan’Andriamagnitra sady nohamasinin’ny Fagnahy Masina. 17 Araka izany, dia afaka misekoseko amin’ny asa ataoko ho Andriamagnitra izaho noho ny fiarahako amin’i Kristy Jesoa. 18 Ny raha nataon’i Kristy tamin’ny alalako, na tamin’ny tarea na tamin’ny asa ihany mbôka no sahiko taravina, mbôry izay ny Jentilisa hankatôritra an’Andriamagnitra. 19 Tamin’ny herin’ny famantarana sy ny raha mahagaga ary tamin’ny herin’ny Fagnahin’Andriamagnitra no nagnanaovany an’izany. Araka izany, nitory ny Tarea Maharavon’i Kristy izaho nanomboka taigny Jerosalema sy ny magnodidina ka tonga hatrakaigny Ilirikiona. 20 Ka dia nagniry mafy ny hitory ny Tarea Maharavo amin’ny ôlona mbôla tsy naharegny ny momba an’i Kristy izaho, mbô tsy hagnosoka ambonin’ny fototra efa natsangan’ôlona hafa. 21 Izao mbôka ny voasoratra:
“Izay tsy nitaravana momba Ananjy no hahita,
ary izay tsy naharegny dia hahazo ognon-draha” (Isa 52. 15).
Ny fagnirian’i Paoly
22 Izany matetika no nanakana anahy tsy hankaigny aminareo. 23 Amin’izao indray, tsisy antony manakana anahy intsony hijanona amin’ireto faritra ireto, sady efa an-taonany maro izaho no nanam-pagniriana hankaigny aminareo. 24 Magnantegna hahita anareo mbôka izaho rehefa mankaigny Espaina; dia handalo aigny ka hahita anareo mbô hamatsianareo ny diako mankaigny, rehefa avy nifaly vetiketika tamin’ny fiarahako taminareo.
25 Fa amin’izao dia handeha ho aigny Jerosalema izaho hitondra fagnampiana ho an’ny ôlona masina. 26 Nanapa-kevitra zareo fa tsara raha manangom-bola ny fiangonana aigny Makedonia sy Akaia mbô hagnampiana ny ôlona masina sahirana aigny Jerosalema. 27 Nanapa-kevitra an’izany zareo sady tokony hagnano an’izany satria ny Jiosy mbôka nizara ny fitahiam-pagnahy tamin’ny Jentilisa, dia tokony hagnampy anjareo amin’izay raha ilainy amin’ny fiaignany koa izany ny Jentilisa. 28 Ary rehefa vitako izany ka voatolotro anjareo soa aman-tsara ny vola voaangona dia handeha ho aigny Espaina izaho ka handalo akaigny aminareo. 29 Fantatro fa rehefa mankaigny aminareo izaho, dia ho feno ny fitahian’i Kristy ny famangiako anareo.
30 Ô raôlona! Miangavy anareo izaho, avy amin’i Jesoa Kristy Tômpontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fagnahy, mbô hiarahanareo mitologna am-bavaka amin’Andriamagnitra ho anahy. 31 Ary mangataka amin’Andriamagnitra mbô hiarovany anahy amin’ny ôlona tsy mino, aigny Jodia, ary mbô hankasitrahan’ny ôlona masina ny fagnampiana izay indesiko aigny Jerosalema. 32 Araka izany dia hankaigny aminareo amin’ny fifaliana izaho, raha sitrapon’Andriamagnitra mbô hialaka rivotra kely miaraka aminareo.
33 Enga anie ho aminareo dahôlo ny Andriamagnitry ny fiadanana! Amena!