Tsy mitsara ny rahalahy
14
Raiso tsara ny ôlona malemy amin’ny finoana, kanefa aza kianina ny heviny. 2 Ôhatra izao, misy ôlona iraika mino fa azony hohanina ny raha dahôlo, misy ôlona iraika hafa indray noho ny fahalemena dia tsy mihinana raha tsy karazan’agnana foagnany. 3 Ny ôlona mihinana ny raha dahôlo dia tsy tokony hagnafoka an’izay ôlona tsy mihinana; ary ny ôlona tsy mihinana raha dahôlo indray dia tokony tsy hitsara an’izay ôlona mihinana fa Andriamagnitra mbôka no nandray ananjy koa. 4 Tsy tokony hitsara gaognan’ôlon-kafa ianao. Na mitsangana izy na lavo dia adidin’ny patirôny izany. Kanefa hatsangana ihany izy satria ny Tômpo mahavita mampitsangana ananjy.
5 Misy ôlona sanagny mihevitra fa manan-danja ny andro iraika noho ny andro hafa, kanefa misy ôlona indray mihevitra fa mitovy dahôlo ny andro. Tokony ho resy lahatra amin’izay raha heveriny ny ôlona tsiraikaraika. 6 Ny ôlona magnaja andro iraika mbôka dia magnatanteraka an’izany mbô ho fagnajana ny Tômpo; ny ôlona mihinana koa dia magnatanteraka an’izany mbô ho fagnajana ny Tômpo satria velom-pisaorana an’Andriamagnitra izy noho amin’ny raha hohaniny. Ary ny ôlona tsy mihinana dia magnatanteraka an’izany koa mbô ho fagnajana ny Tômpo ary velom-pisaorana an’Andriamagnitra koa.
7 Tsisy amintsika ho velona ho an’ny aignany sambirerika ary tsisy amintsika ho foaty ho an’ny aignany sambirerika koa. 8 Raha mbôla velona atsika dia ho an’ny Tômpo no ahavelomantsika ary rehefa maty atsika dia ho an’ny Tômpo no ahafatesantsika. Araka izany, an’ny Tômpo foagna atsika na maty na velona. 9 Izany mbôka no antony nahafatesan’i Kristy ary nitsanganany ho velona indray mbô ho Tômpon’ny velona sy ny maty Izy.
10 Dia magnino ma izany ianao no mitsara ny rahalahinao? Magnino ianao no magnambanimbany ny rahalahinao? Fa atsika dahôlo dia samby mbôla hotsaraina akeo agnatrehan’Andriamagnitra. 11 Izao mbôka no voasoratra: “Raha mbôla velona aketo foagnany izaho hozy Tômpo dia handongalika agnatrehako akeo ny lohalika dahôlo, ary hagname voninahitra an’Andriamagnitra ny fiteny dahôlo” (Isa 45. 23).
12 Araka izany, atsika tsiraikaraika dia samby hitarea ny raha nataontsika amin’Andriamagnitra.
Tsy magnano izay hahavoantsitohina ny rahalahy
13 Araka izany, aza mifampitsara intsony atsika, fa mandraisa fanampahan-kevitra hagnano an’izay raha tsy hamandrihana na handavoana ny rahalahintsika. 14 Raha izaho, dia fantatro ary azoko antoka fa tsisy raha malotoloto ho ananjy izany amin’i Jesoa Tômpo. Kanefa raha misy mihevitra raha iraika ho maloto dia aminanjy foagnany izany no maloto. 15 Raha miteraka alahelo an’ny rahalahinao ny fihinananao raha dia tsy tia ananjy intsony izany ianao. Aza ny raha hohaninao no hanimbana ananjy fa Kristy dia efa maty hamonjy ananjy.
16 Araka izany, izay heverinareo fa tsara dia tsy tokony ahitan’ny ôlona hirika hanakianana anareo. 17 Ny fanjakan’Andriamagnitra mbôka dia tsy resaka raha hohanina na raha hosotroina fa fahamarinana sy fiadanana ary firavoravoana avy amin’ny Fagnahy Masina. 18 Fa izay ôlona manompo an’i Kristy amin’izany raha izany dia ankasitrahan’Andriamagnitra ary hajain’ny ôlona.
19 Araka izany, tokony hiezaka hikaraka ny fiadanana sy hifampitombo amin’ny finoana atsika. 20 Aza aratina amin’ny raha hohanina ny raha nataon’Andriamagnitra. Marina fa madio ny raha dahôlo. Kanefa tsy tsara ny mihinana ahanina raha miteraka fahalavoana ho an’ny ôlona hafa izany. 21 Ny tegna tsara dia tsy homan-kena, tsy misotro divay, tsy magnano an’izay raha mety handavo ny rahalahinao. 22 Fangôho ho anao agnatrehan’Andriamagnitra ny faharesen-dahatrao manokana. Sambatra ny ôlona tsy magnameloka ny tegnany amin’ny raha fanapahan-kevitra noraisiny. 23 Fa ny ôlona managna fisalasalana amin’ny raha hohaniny dia meloka satria tsy finoana no nitarika ananjy hagnano an’izany. Ny raha dahôlo tsy avy amin’ny finoana dia fahotana.