Magnoloana ny fahefana misy
13
Tokony magneky ny fahefana ambony ny ôlona dahôlo satria avy amin’Andriamagnitra izany ary Izy no nametraka ny manam-pahefana dahôlo. 2 Araka izany, izay ôlona manohitra ny fahefana dia manohitra ny fandaminana nataon’Andriamagnitra, ary izay manohitra dia mikaraka fagnamelohana ho an’ny vatantegnany sambirerika. 3 Ny mpagnano tsy fanjariana no tokony hatahotra mpitondra fa tsy ny mpagnano raha marina. Raha tsy te hatahotra manam-pahefana ianao dia magnanaova raha tsara mbôry izay mbô azoazony. 4 Mpanompon’Andriamagnitra natao hahatsara anao ny manam-pahefana. Kanefa raha magnano raha ratsy ianao dia matahora satria afaka magnameloka anao ho faty zareo. Mpanompon’Andriamagnitra ampiasainy hamoaka ny fahasosen’Andriamagnitra sy hagnafay ny mpagnano raha ratsy zareo. 5 Araka izany, tsy maintsy magneky ny manam-pahefana ny ôlona mbô ialana amin’ny fahasosen’Andriamagnitra sy, ny eritreritra tsy mandry.6 Izany no antony andoavanareo hetra; fa ny manam-pahefana mbôka dia mpanompon’Andriamagnitra magnano an’izany asa dahôlo izany. 7 Efao amin’ny ôlona izay tokony ho ananjy: hetra amin’izay tokony handoavana hetra, haba amin’izay tokony handoavana haba, tahotra amin’izay tokony hatahorana, haja amin’izay tokony hajaina.
Ny fifankatiavana
8 Tsy tokony anagnan’ny ôlona trosa ianareo afa-tsy ny trosan’ny fifankatiavana foagnany satria izay mifankatia amin’ny ôlona sanagny mbôka dia nahatanteraka izay raha taravin’ny lalàna. 9 Araka ireto didy ireto: “Aza malanga, aza mamono ôlona, aza mangalatra, aza mitsiriritra rahan’ôlona” (Eks. 20: 13-17), mbaraky ny didy hafa dahôlo dia voafintina agnatin’izao teny izao: “Tiavo ny namanao sahala amin’ny itiavanao ny aignanao” (Lev 19. 18). 10 Ny ôlona tia dia tsy magnano raha ratsy amin’ny namana. Rehefa tia ny namana izany dia magnatanteraka ny lalàna.
Vognona ho amin’ny fiavian’i Kristy
11 Tokony hagnano an’izany mbôka atsika satria fantatrareo tsara izao vanim-potoana iaignantsika izao fa lera tokony hifohazana amin’ny torimaso; efa magnakaiky mbôka ny famonjena atsika amin’izao raha ampitahaina tamin’ny fotoana nanombohantsika nino. 12 Efa ho dila ny alina, efa ho keka ny andro. Araka izany, areo ny asan’ny maizigna dia sarogno ny fitaovana findesin’ny mazava miady. 13 Andao atsika hiaigna tsara sahala amin’ny andro atoandro, tsy hagnano izay danin’ny kibo, na hisotro toaka, tsy halanga na hagnano toetra tsy manjary, tsy hifanditra na hifampialona. 14 Fa sarogno Jesoa Kristy Tômpo, ary aza miasa saigna mikasika ny fahalemena amin’ny maha ôlombelona izay mitarika hagnano ratsy.