Ny fiaignana vaovao
12
Araka izany, raôlona, be famindrampo amintsika Andriamagnitra ka mangataka aminareo izaho mbô atolory Ananjy ny vatantegnanareo mbô ho sahala amin’ny sorogna izay velona, masina, ankasitrahan’Andriamagnitra. Fa izany mbôka no fanompoam-pagnahy tokony hataonareo. 2 Aza magnano ny raha fataon’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fagnavaozana ny saigna mbô hamantaranareo ny sitrapon’Andriamagnitra: izay tsara, ankasitrahany ary tsy azo kianina.
3 Noho ny fahasoavana namena anahy dia izao no raha taraviko aminareo tsiraikaraika: Aza magnambony tegna mandombolombo ny tokony ho izy, fa sambia mihevi-tegna amim-pahendrena araka ny anjara finoana namen’Andriamagnitra ho an’ny ôlona tsiraikaraika. 4 Managna taova maro mbôka ny vatantegnatsika ary samby hafa ny asan’ireo taova ireo. 5 Sahala amin’izany koa: Na dia betsaka aza atsika, dia vatantegna iraika foagnany satria miraika amin’i Kristy, samby managna ny toerany ny ôlona tsiraikaraika ary samby mifampiankina koa. 6 Managna fagnamezana samby hafa atsika araka ny fahasoavana izay namena antsika: raha haminany dia tokony hatao mifagnaraka amin’ny finoana; 7 raha amin’ny fagnompoana dia tokony hanompo; raha amin’ny fampianarana dia tokony hampianatra; 8 raha amin’ny fampaherezana dia tokony hampahery; izay mizara, dia tokony hagname foagnany fa tsy mahidy; izay mitarika dia tokony hiasa amin’ny zotom-po; izay mamindra fo dia tokony hataony an-karavoana.
9 Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiavana; aza tia raha ratsy; fangôho ny tsara. 10 Mahaiza mifankatia sahala amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; tarito ny ôlona tsiraikaraika mbô samby hifagname voninahitra. 11 Mazotoa miasa fa aza kamokamo ary tompoy amin’ny hafanam-po ny Tômpo. 12 Mifalia amin’ny fagnantegnana; miareta amin’ny fijaliana; mifikira amin’ny fivavahana. 13 Magnampia ny vahoakan’Andriamagnitra sahirana; mampandrosoa vahiny foagnany.
14 Ameo tsodrano izay ôlona magnenjika anareo; tsofy rano izy fa aza ozognina. 15 Mifalia miaraka amin’izay ôlona faly, ary mitomania miaraka amin’izay ôlona mitomany. 16 Mahaiza mifagnara-tsaigna ianareo dahôlo. Aza miavognavogna fa manetre tegna. Aza mihevi-tegna ho tapi-pahendrena.
17 Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàgna hagnano raha tsara amason’ny ôlona dahôlo. 18 Raha manjary, fa miankina aminareo ihany, mihavàna amin’ny ôlona dahôlo. 19 Ô leretsy! Aza mamaly ratsy, fa alay Andriamagnitra hamoaka ny fahasoseny; fa voasoratra hoe: “Alay Izaho no hamaly; Izaho no hamaly amin’ny ôlona tsiraikaraika hozy ny Tômpo” (Deo 32. 35). 20 “Raha vahan-tsilaona ny fahavalonao, ameo ahanina izy; raha mangetaheta izy, ameo rano hosotroiny; raha magnano an’izany mbôka ianao, dia hametraka vainkafo an-tampondôhany” (Oha 25. 21-22). 21 Aza magneky ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.