Tsy narian’Andriamagnitra ny ôlony
11
Araka izany, hozy izaho: Sao dia mbô narian’Andriamagnitra ma ny vahoakany? Sagnatrian’ny vava! Izaho mbôka mbô Isiraelita koa, taranak’i Abrahama mpiray fihaviana amin’i Benjamina. 2 Tsy nagnary ny vahoakany Andriamagnitra, dia ireo vahoakany izay efa nosafidiany mialôha; sa tsy fantatrareo izay notaravin’ny Soratra Masina takao amin’ny tantaran’i Elia, dia ilay fitaraignan’i Elia ny Israely tamin’Andriamagnitra nagnano hoe: 3 Ô Tômpo, efa namono ny mpagnazarinao sy nandrava ny alitaranao zareo, izaho irerika sisa tavela, ary mbôla tadiavinjareo hovonoina (1 Mpan 19.14). 4 Ino ma ny raha navalin’Andriamagnitra ananjy? Efa nagnavaka fito arivo lahy ho Anahy Izaho, izay mbôla tsy nandohalika tamin’i Bala mihitsy (1 Mpan 19.18). 5 Dia sahala amin’izany ihany koa ny amin’izao fotoana izao, misy ôlona vitsivitsy sisa tavela izay voafidy avy amin’ny fahasoavan’Andriamagnitra. 6 Raha avy amin’ny fahasoavana mbôka izany, dia tsy mbô avy amin’ny asa; raha tsy izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.7 Ino dikan’izany? Tsy azon’ny Israely izay raha nokarahany, fa ireo voafidy ihany no nahazo an’izany, ka nohamafisina kosa indray ny fon’ny sanagny; 8 araka ny voasoratra hoe:
Nataon’Andriamagnitra regnoky ny torimaso ny fagnahinjareo,
sy tsy mahita ny masony,
ary tsy mitaino ny sofigny, mandrak’ity nigniany.
9 Hozy koa Davida:
Toara ho fandrika sy harato ho anjareo ny tsaboraha
ary ho voantsitohina sy ho fay zareo;
10 Toara ho jamba ny masonjareo ka tsy hahita,
ary hanjoko mandrakizay zareo.
Samby akao amin’ny fikasan’Andriamagnitra na ny Jiosy na ny Jentilisa
11 Dia hozy izaho: Sao dia mibolisatra ma zareo Jiosy, ka ho lavo tsy tafarina intsony? Sagnatrian’ny vava! Fa ny fahotanjareo no ahazoan’ny Jentilisa ny famonjena mbô hahatonga an’ny Israely hialona. 12 Raha ny fahadisoany no lasa harenan’izao tontolo izao, ary ny tsy fahombiazany no nanjary harenan’ny jentilisa, tsy mandombolombo an’izany ma ny hagedazan’ny harena indesin’ny fandraisana anjara tanteraka amin’ny famonjena!
13 Fa aminareo jentilisa no hitaravako. Amin’ny maha Apostolin’ny jentilisa anahy, dia tsy ataoko ambanin-javatra ny asa fagnompoana izay nampandraiketina anahy, 14 raha mety dia mbô hahatonga ny ôlona mpiray fihaviana aminahy hialona, ary mbô hovonjena ny ôlona sanagny aminjareo ireo. 15 Raha mampatonga fampihavanana an’izao tontolo izao amin’Andriamagnitra mbôka ny fagnilihana ny jiosy, ino ny raha mety hitranga rehefa haverigna raisina indray zareo? Fitsanganana amin’ny maty mbôka izany. 16 Raha masina mbôka ny santatry ny mofo amena an’Andriamagnitra, dia masina koa izy dahôlo. Raha masina ny fakany, dia masina koa ny rantsagny.
17 Raha norantsanana ny rantsagny sanagny, ary ianao kosa dia sahala amin’ny rantsagna kakazo oliva dia, natao girefy taminanjy akaikin’ny rantsagna sanagny ka mahazo anjara amin’ny tsiron’ny tany izay miakatra amin’ny fakan’ilay kakazo oliva. 18 Dia aza miendaenda amin’ny rantsagny izay nalana; fa raha miendaenda ianao, dia tadidio fa tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao. 19 Ary hitarea mbôka ianao hoe: Notapahina ny rantsagn’ny sanagny mbô hagnanaovana girefy anahy. 20 Marina izany: ny tsy finoany no nagnalana anjareo, fa ianao kosa, ny finoanao no mitana anao. Aza miavognavogna, fa mbô matahora; 21 fa raha ny tegna rantsagny aza tsy notsimbinin’Andriamagnitra, dia tsy ho tsimbininy koa ianao. 22 Hevero tsara fa sady tsotra no sarotiny Andriamagnitra: Sarotin-draha amin’ireo izay lavo Izy; fa tsotra aminao raha maharitra akao amin’ny fahatsorany ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao. 23 Raha momba ny Isiraelita kosa, raha miala amin’ny tsy finoana, dia hatao girefy satria vitan’Andriamagnitra ny magnano girefy ananjy indray. 24 Notapahina tamin’ny kakazo oliva dia mbôka ianao ka natao girefy tamin’ny kakazo oliva nambolena, nefa ianao tsy rantsagny ara-boajagnahary avy, mandombolombon’izany ny tegna rantsagny izay natao girefy tamin’ny kakazo oliva nambolena izay nangalana ananjy.
Ny famonjena ny Israely
25 Ô raôlona! Tiako ho fantatrareo izany raha misitrika izany, sao dia mieritreritra ny tegnanareo ho hendry ianareo, fa misy mafy lôha ny sanagny amin’ny vahoakan’ny Israely mandra-pahafenon’ny isan’izay jentilisa ho lasa vahoakan’Andriamagnitra; 26 ary amin’izany ho voavonjy dahôlo ny Israely, araka ny voasoratra hoe:
Hiainga avy aigny Ziona ny Mpagnafaka,
ary hagnala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba izy;
27 Ary izao no fagnekeko aminjareo,
rehefa magnala ny fahotanjareo izaho.
28 Raha ny amin’ny resaka Tarea Maharavo dia fahavalo zareo noho ny aminareo; fa raha amin’ny resaka fifidianan’Andriamagnitra kosa dia malala zareo noho ny amin’ny razanjareo. 29 Andriamagnitra mbôka tsy mialaka indray ny fahasoavana efa nameny ary tsy mivadi-kevitra amin’ireo izay nantsoviny. 30 Talôha mbôka ianareo tsy nankatoritra an’Andriamagnitra, fa amin’izao dia nahazo famindrampo ianareo satria tsy nankatoritra ny Jiosy, 31 dia ohatra an’izany koa ny Jiosy amin’izao, tsy nankatoritra zareo mbô hahazoanareo famindrampo sy mbô hahazoan’ny Jiosy misitraka an’izany koa amin’izao. 32 Nogadrain’Andriamagnitra tagnatin’ny tsy fankatoavana mbôka ny ôlona dahôlo, mbô hamindrany fo aminjareo dahôlo.
33 Jerevo ma izany habetsahan’ny harenan’Andriamagnitra
sy ny fahendreny ary ny fahalalany!
Ny fitsarany tsy takatry ny saigna,
ary tsy azo fantarina ny lalany!
34 Fa iza no mahafantatra ny eritreritry ny Tômpo?
ary iza no mpanolo-tsaigna Ananjy? (Isa 40. 13)
35 Ary iza no nagname raha Ananjy voalohany
ka tsy maintsy hameregnany an’izany indray?
36 Avy Aminanjy sy velona Aminanjy ary ho Ananjy ny raha dahôlo.
Enga anie ho Ananjy ny voninahitra mandrakizay. Amena.