10
Ô raôlona! Ny ventsoventsom-poko sy ny angatahiko amin’Andriamagnitra ho an’ny Jiosy dia mbô ho voavonjy zareo. 2 Izaho mbôka no vavolombelona fa zareo ireo dia mafana fo amin’Andriamagnitra kanefa tsy dia mahafantatra loatra mikasika an’Andriamagnitra. 3 Ny tsy fahafantaranjareo an’izany fahamarinana avy amin’Andriamagnitra izany mbôka no mampatonga anjareo mitady hagnamarin-tegna, ary nampahatonga anjareo tsy nagneky ny fagnamarinana avy amin’Andriamagnitra. 4 Kristy mbôka no namarana ny lalàna mbô hohamarinina izay ôlona dahôlo mino ananjy.Tarea sy finoana ary famonjena
5 Izao no voasoratr’i Mosesy mikasika ny fahamarinana avy amin’ny lalàna: “Izay ôlona mahatanteraka an’izany no ho velona aminanjy” (Lev 18. 5). 6 Ny ôlona nohamarinina tamin’ny finoana kosa dia mitarea hoe: Aza mihevitra hoe: mbô iza aiky no hiakatra aigny an-dagnitra aigny? Mbô handeha hampidigna an’i Kristy. 7 Na hoe: Iza no hidigna akaigny amin’ny farany ambany? Mbô handeha hampiakatra an’i Kristy avy aigny amin’ny maty. 8 Fa izao ny raha taraviny: “Akaikinao akeo ny teny, dia am-bavanao sy agnatin’ny fonao” (Deo. 30. 12-14). Hafatra mikasika ny finoana izay torinay izao teny izao. 9 Raha milaza amin’ny vavanao ianao akeo amason’ny ôlona fa Jesoa no Tômpo ary raha mino amin’ny fonao koa ianao fa efa natsangan’Andriamagnitra tamin’ny maty Izy, dia hovonjena ianao. 10 Amin’ny fo mbôka no inoana mbô hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava kosa indray no ilazana amason’ôlona mbô hahazoana famonjena. 11 Izao no raha taravin’ny Soratra Masina: “Tsy ho megnatra izany ny ôlona dahôlo mino Ananjy” (Isa. 28. 16). 12 Fa tsisy mahasamby hafa ny Jiosy sy ny jentilisa, fa iraika ihany ny Tômponjareo dahôlo, sady managna harena hamena an’izay ôlona dahôlo magnantso Ananjy Izy. 13 Fa “Na iza na iza magnantso ny agnaran’ny Tômpo dia hovonjena” (Joe 3. 5).
14 Hataonjareo manakôry ma ny hagnantso an’Andriamagnitra izay tsy ninoanjareo? Hataonjareo manakôry koa no hino raha mbôla tsy naharegny zareo? Hataonjareo manakôry no haharegnesana, raha tsisy mpitoriteny? 15 Ary hataonjareo manakory ny hitory, raha tsisy nagniraka? Araka ny voasoratra hoe: “Ô leretsy, mahafinaritra aika ny mahita ny tongotry ny mpitondra vaovao tsara” (Isa. 52. 7).
16 Kanefa tsy zareo dahôlo no nagneky ny Tarea Maharavo. Nitarea mbôka Isaia hoe: “Ô Tômpo, iza ma izany no mbô nino ny hafatra nolazainay?” (Isa. 53. 1). 17 Araka izany ny finoana dia avy amin’ny hafatra notainoana, ary ny hafatra dia avy amin’ny tenin’i Kristy. 18 Dia hozy amin’izay izaho: Sao dia tsy regninjareo ma? Ahaa! Regninjareo mihitsy satria izao mbôka no voasoratra:
“Nagnakoako eraky ny tany dahôlo ny feonjareo,
Ary mipariaka hatraigny amin’ny faran’ny tany ny teniny” (Sal. 19. 4).
19 Magnontany tegna izaho hoe: Sao dia tsy nahazo ognon-draha ma ny Israely? Fa Mosesy no nitarea voalohany hoe:
“Hataoko be fialonana an’izay nolazainareo fa tsy tegna firenena ianareo,
hataoko hampasosy anareo ny firenena tsy mahazo ognon-draha” (Deo. 32. 21).
20 Nahasahy nitarea Isaia hoe:
“Hitan’izay tsy nikaraka Anahy Izaho,
Ary niboagna tamin’izay tsy nangataka raha Taminahy”.
21 Kanefa izao ny raha notaraviny mikasika ny Israely:
“Magnalinandro iraika Izaho dia magnatsotra ny tagnako
amin’ny firenena tsy mpankatô no sady miady Aminahy” (Isa. 65. 1, 2).